Saturday, March 21, 2009

TABATABA 2009 - Fizarana Faharoa [II]

Horonan-tsary mitohy: TABATABA 2009 - II

Vita iny ny tapany voalohany tamin'ilay horonan-tsary malaza hoe: "TABATABA 2009"

Nahaliana ny rehetra tokoa ny fanarahana iny Fizarana Voalohany satria dia gidragidra sy herisetra no tena nibahan-toerana tao anatin'ilay izy. Hany ka dia nankafizin'ny maro tokoa, indrindra fa ny tanora.

Tsara ny manamarika amin'izao fotoana izao fa efa nanomboka androany Asabotsy fa 21 Martsa koa ny Fizarana faharoa amin'izany horonan-tsary izany. Ary hinoana tanteraka fa tsy handiso fanantenana an'ireo mpankafy satria araka nyf anambaran'ireo mpandray anjara teny an-toerana dia tsy ho latsa-danja nohon'ny Fizarana voalohany ity manaraka ity fa dia ho tena matihanina kokoa.

Ny tena nampiavaka ity fizarana faharoa ity araka ny hita androany dia ny fiovan'ny fihetsika fanomezana toromarika sy ny loko nampiasainan'ireo mpilalao tao anatiny. Araka izany, raha ny marika "V" [ratsantanana roa] sy loko "Volomboasary" no nampalaza ny Fizarana voalohany, dia mifamadika tanteraka amin'izany kosa no zava-misy tao amin'ny tapany faharoa. Ny marika "8", izany hoe ratsantanana "IIII"+"IIII" ravahan'ny ny loko "Maitso" sy "Mena" izay feno "Fanantenana" sy maneho ny"Fiandrianam-pirenena" na ny ara-dalAna kosa no tena nampiavaka ity faharoa ity.

Ireto manaraka ireto ary ny santion-tsary nalaina tamin'ny fanombohan'ilay horonantsary mitohy mitondra ny lohateny hoe "TABATABA2009 - II".













......................mBoLa hitOhY......................


No comments:

Post a Comment