Saturday, March 28, 2009

Sary Tolona 28 marsa 2009

Sary

Ireto manaraka ireto ny sary nalaina teo ambohijatovo nandridra ny ftolom-panoherana nataon'ny malagasy tia tanindrazana ny fanjanahan-tany amin'ny endriny vaovao izay ampiharin'ny Frantsay amin'izao andro mazava izao.
Ny mampalahelo dia vitsy ny mpampahalala vaovao iraisam-pirenena no mamoaka ny sary tena marina tahaka ireto.
Araka ny vaovao nomen'ny malagasy nanatrimaso teo ambohijatovo dia efa mihoatra ny 50 000 ny isan'ny malagasy nanao filaharana teny androany asabotsy faha 28 marsa 2009.

Malagasy Vahoaka Afaka.






Tolona 28 marsa 2009

Ambohijatovo 28 marsa 2009


Midera ilay lehilahy sahy nijoro ho an'i madagasikara teo ambohijatovo niaraka tamin'ny sainam-pirenena [ ALAHELO, 28 mars 2009 ]

Nijery ny site tao amin'nyaterineto aho ary nahita an'ilay rangahy sahy nijoro irery nitondra ampamendrehana ny saina malagasy ary sahy nijoro ho an'ny Madagasikara. Latsaka ny ranomasoko satria nisy olona nahita fa mampihomehy ny fihetsika nataony. Ary miteny frantsay ilay olona, asa raha gasy mitovy rà amin'ilay olona nitondra saina ho an'ny fahanafahana amin'ny Madagasikara ireo olona nihomehy, sa gasy efa voazanaka (?!)... Fa dia tomany aho... Tomany noho ny hafaliana fa misy tokoa ny gasy sahy mijoro ho an'ny tanindrazany, ary midera an'io lehilahy io sy ireo zatovo anaky telo nanaraka azy taty aoriana. Mendrika anareo ny maha Malagasy ny malagasy. Saingy manakiana sy manozona an'ireo olona izay nahita fa mampihomehy ireny toe-javatra ireny. Tena raha malagasy nareo dia mieritrereta fa tena gasy voahozona, raha frantsay ianareo nihomehy, dia enga anie hanody amin'ny taranakareo. Fantatro fa ny frantsay tsy hijery ity site ity, no tsy miteny gasy, fa dia apetrako eto ny foko sy ny alaheloko mikasika an'io sary io.

Manodiava koa i TGV, reny no atao hoe tia tanindrazana ary mitandro ny demokrasia... Sahy mijoro amin'ny heviny ary mahafoy ny ainy ho an'i Madagasikara. Tsy miafina ao ambadiky ny vahoaka fa sahy manandratra avo ny fireneny amin'ny fony sy sainy ary ny fanahiny. Masina aminy ny tanindrazana. Nosamborina izy satria mijoro amin'ny heviny, nodarohina izy satria nitondra ny sainam-pirenena. Ireo miaramila nisambotra azy, tsy mba nanana antra akory... Tsy nanohitra izy, ary tsy nampihorohoro, tsy nanana fiadiana afatsy ny sainam-pirenena... Aiza ilay démocratie notabatabaina hatramin'izay? aiza ilay CAPSAT niteny fa ny miaramila tsy fitaovana hoentina hampihorohoro ny vahoaka? iza no tena vahoaka ary ahoana no ahalalana izany ny tena maha vahoaka azy?


Midera anao aho ry Lehilahy sahy nijoro, midera anareo aho ry tanora sahy nampiseho fa masina ny tanindrazana. Ny Tompon'ny fiadanana anie homba anareo sy ny taranakareo rehetra, sy izay loharano nipoiranareo.

----------------------------------

Ho an'ireo mihevitra fa OVY RAZILY mahery fo:

Ehh, tsy mba fantatrareo ny hasin'ny Tanindrazana. Tsapako ny ao anaty lohan'i Razily, fa tsy mba olona tia tena otranao izy. Tsy ho an'azy irery sy ny fianakaviany no nanaovany sorona ny ainy sy ny fahafahany, fa ho an'ny Malagasy sy Madagasikara, ho an'ny olona ohatranao... Saingy ahoana moa no ahatsapanao an'izany fitiavana izany? tsy ho tsapanao izany satria ny fitiavantena no mameno ny fonao. Tsy hainao zany manao ny sorona ny tenanao zany ho an'ny hafa. Tsy fantatrao ny fahasambarana rehefa manana izany fitiavana izany ianao.

Fantaro fa tsy mahavita ohatran'ireny ny olona tia mihambo. Tsia, tsy mahavita. Porofon'izay i Andry, nahoana izy no tsy teo aloha teo tamin'ny 07 fevrier? tsy tao aminy ny fitiavana. Hoy izy namaly ny fanontanian'ny mpanao gazety tamin'iny tranga iny "Il y a des rangs protocolaires dans ce genre de manifestation" - raha adika amin'ny teny gasy dia hoe "misy lahatr'olona tsy maintsy arahana refa misy fihetsehana ohatran'ireny". Raha adika amin'ny hevitra tsotra dia hoe : "maty aloa ianareo zay vao maty aho raha tokony ho faty". Atao sorona aloa ny manodidina dia ho hita eo ny atao rehefa aveo.

Fa Razily ry namana, dia olona vonto fitiavana ho an'ny malagasy rehetra sy ho an'ny tanindrazany. Tsy mendrika ny hanonona ny anarany kory ianao raha toa ka izay no toe-tsainao. Tsy takatry ny sainao ny habehan'ny fanoloran-tenany izany. Ary tsy izy irery fa ireo tanora telo reo koa... aza adino fa mbola misy an'ireo zatovo ireo koa.

Saturday, March 21, 2009

TABATABA 2009 - Fizarana Faharoa [II]

Horonan-tsary mitohy: TABATABA 2009 - II

Vita iny ny tapany voalohany tamin'ilay horonan-tsary malaza hoe: "TABATABA 2009"

Nahaliana ny rehetra tokoa ny fanarahana iny Fizarana Voalohany satria dia gidragidra sy herisetra no tena nibahan-toerana tao anatin'ilay izy. Hany ka dia nankafizin'ny maro tokoa, indrindra fa ny tanora.

Tsara ny manamarika amin'izao fotoana izao fa efa nanomboka androany Asabotsy fa 21 Martsa koa ny Fizarana faharoa amin'izany horonan-tsary izany. Ary hinoana tanteraka fa tsy handiso fanantenana an'ireo mpankafy satria araka nyf anambaran'ireo mpandray anjara teny an-toerana dia tsy ho latsa-danja nohon'ny Fizarana voalohany ity manaraka ity fa dia ho tena matihanina kokoa.

Ny tena nampiavaka ity fizarana faharoa ity araka ny hita androany dia ny fiovan'ny fihetsika fanomezana toromarika sy ny loko nampiasainan'ireo mpilalao tao anatiny. Araka izany, raha ny marika "V" [ratsantanana roa] sy loko "Volomboasary" no nampalaza ny Fizarana voalohany, dia mifamadika tanteraka amin'izany kosa no zava-misy tao amin'ny tapany faharoa. Ny marika "8", izany hoe ratsantanana "IIII"+"IIII" ravahan'ny ny loko "Maitso" sy "Mena" izay feno "Fanantenana" sy maneho ny"Fiandrianam-pirenena" na ny ara-dalAna kosa no tena nampiavaka ity faharoa ity.

Ireto manaraka ireto ary ny santion-tsary nalaina tamin'ny fanombohan'ilay horonantsary mitohy mitondra ny lohateny hoe "TABATABA2009 - II".













......................mBoLa hitOhY......................


Sunday, March 15, 2009

Fitsapan-kevibahoaka | [Referendum]


Manoloana izao savorovoro misy eto amin'ny tany sy fanjakana Malagasy izao dia nana-pakevitra ny fitondram-panjakana izay tarihan'Andriamatoa RAVALOMANANA Marc fa hampanao fitsapan-kevi-bahoaka mba hiverenan'ny filaminana haingana eto Madagasikara.


Mety ho mitovitovy amin'izao manaraka izao ny endriky ny fanontaniana izay hitsapana ny hevitry ny vahoaka malagasy iray manontolo izay feno 18taona no ho miakatra mandritra io fotoana io.

Araka izany:

- raha ekenao ny hanohizan'ny Filoha RAVALOMANANA Marc ny ny fitondrany ny Firenena mandra-pahatapitry ny fe-potoana 5 taona izay nahavoafidy azy tamin'ny taona 2006 ka hatramin'ny desambra 2011 dia safidio ny "ENY"

- raha tsy ekenao kosa izany dia fidio ny "TSIA"




Misaotra Tompoko.

Natao teto "Online" Androany faha 16 martsa 2009.

Ny fiadidiana ny Repoblika Virtoaly Malagasy eto amin'ny Aterineto.


Ekenao ve ny hijanon'Atoa RAVALOMANANA Marc eo amin'ny fitondrana sy hamitàny ny asa maha-filoham-pirenena Malagasy azy hatramin'ny desambra 2011?